<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>B. Gesius</author>
<hymn_number>103</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny hazo-fijaliana
 Tsy maintsy hotsarovana ;
 Henoy, ry fanahiko,
 Ny tenin'ny Mpamonjinao !
 Vakiteny 1

[V2]
 Ny teny voalohany
 Mihevitra ny rafiny :
 « Mba mamelà ny helony,
 Fa jamba ny fanahiny ! »

[V3]
 Izaho koa Jeso ô !
 Dia jamba sady ratsy fo ;
 Ka mba jereo sy iantrao,
 Fa te ho tonga olonao.
 Vakiteny 2

[V4]
 Ilay meloka tanilany
 Naniry mba ho raisiny,
 Nomeny toky tsara io :
 « Ho any Paradisa anio ! »

[V5]
 Raha avy ny anjarako,
 Ka tapitra ny androko,
 Mba raiso aho Tompo ô,
 Ho any Paradisanao !
 Vakiteny 3

[V6]
 Dia hitany ny reniny
 Tomany teo akaikiny,
 Toy ny tsindronin-defona
 Ka feno fisentoana.

[V7]
 Dia Jaona no natolony
 Ho zanany ho solony :
 « Mba raisonao, ry Jaona ô
 Ho reninao ny reniko ! »

[V8]
 Tsarovy aho, Tompo ô !
 Raha ao am-pahoriako,
 Iraho ny mpianatrao
 Hanampy ny mpanomponao !
 Vakiteny 4

[V9]
 Ny teniny fahefatra
 No tena mampangovitra ;
 Niantso Izy, hoe : « Ry Ray,
 Nahoana Aho no afoy ? »

[V10]
 Izao no dia nandaozana
 Anao tam-pahoriana ;
 Hahafaka ny tahotro,
 Raha tonga ny fotoako.
 Vakiteny 5

[V11]
 Ny otako izay nentiny
 Nahory ny fanahiny,
 Ka nitarainany hoe :
 « Mangetaheta Aho re ! »

[V12]
 Mangidy, ry Jesosy ô,
 Ny loza niaretanao,
 Ka aoka mba ho mamiko
 Ny avotra, izay vitanao !
 Vakiteny 6

[V13]
 Hoy Izy indray :
 « Tanteraka ! »
 He ! teny mahasambatra.
 Tanteraka ny asany,
 Voavotra ny olony.
 Vakiteny 7

[V14]
 Ny teny farany indray
 Nilaza ny rahatrizay :
 « Atolotro ny aiko izao,
 Ry Ray, ho eo an-tànanao ! »

[V15]
 Izany dia mamiko
 Hiorina ao anatiko,
 Ka teny hotononiko
 Eo amim-pahafatesako !</lyrics>
<title>Ny hazo fijaliana FFPM103</title>
</song>